May 31st, 2008 by news2dago
Rév Ranarivelo Jaona no lany ho eveka ny diosesin’Antananarivo ho an’ny finoana Anglikana! Izy moa dia manana ny Doctorat en théologie ary tany Afrika Atsimo izy no nahazo io marimpahaizana io! izy izany no hisolo tena ny anglikanina eo anivon’ny FFKM.
Maro moa ny Presibitera nisy nanolotra ho eveka fa iray ihany no ho voahosotra! tsy azo ambara moa oe iza no nifaninana t@ farany. Tanora moa ny akamaron’ireo nirotsaka hofidina ary samy manana ny mahaizy azy avokoa.
Ny antenaina moa dia ny hivoaran’ny finoana anglikanina fa tsy ho faravavy eo anivon’ny FFKM foana! izy izany no hisolontena ny diosesy any @ fivorina any Lambeth Angletera @ volana jona ho avy izao! maro moa ny adidy miandry azy ka maneho firarintsoa ho azy izahay haleo halasana @ adidy miandry azy! mahavità be @ asan’ny Tompo ry Mgr Ranarivelo Jaona Samoela.
JEREO KOA ETO
Share This
Posted in Uncategorized | 1 Comment »
May 8th, 2008 by news2dago
Fanondranana vehivavy hivaron-tena izany indray no vaovao hitako an-gazety androany! ary tena fitahana ireo olona ireo! karazany iray io @ resaka fizahan-tany mamoafady sy ny proxénète izay efa mipaka eto Madagasikara ankehitriny. Mariky ny fahantrana izao ary tokony hahatonga saina ny mpitondra oe very ny taranaka malagasy ankehitriny.
Vola be izay no andrabirabina azy @ izany ary tsy vitsy ihany koa ny malagasy te hahita mafy an’izao andafy andafy izao ka dia roboka daholo! Rehefa tonga any anefa dia tena an-devozina ara-nofo sy araraotina @ fahatrana. Ampanaovina sary mihetsika mamaofady sy mivaron-tena sy ny sisa rehetra azo ampanaovina anireo.
Etsy an-danin’izay moa dia mirongatra izay tsy izy ny tranon-kala misy irony “rencontre” irony ary tena ahitana karazany sipa gasy maro mihitsy ao! eo no te hanambady fotsiny izao ireo vazaha be vola ao koa anefa no leo ny miaraka @ teratany malagasy satria tsy mahavelona vady aman-janaka hono!!!
Tsy vitsy ihany koa irony karazana asa hafa kely manomboka mahazo vahana eto @tsika tao aoriana kely ny nahatongavan’ireto sinoa marobe eto ireto dia ny fanaovana “massage” izany, sady mihotra moa no manao izay tiana atao rehetra ihany koa raha sendra lasa lavitra ny heritreritra sy ny filàna. Fa mandoa vola amboniny indray ianao, eo ohatra ny “mihotra” adiny iray dia sandaina any @ 200.000 Ar any ho any! koa ahoana moa no tsy hiroboka hanao an’izany ny zatovo vavy malagasy satria efa tena jamban’ny vola.
Vokatry ny fandrosoana sy ny fanalalahana daholo moa izany rehetra izany ary tsy azontsika lavina ny oe mba te hiaina tahaka ny olon-drehetra ramalagasy kanefa dia tena mahonena ny mahita ity fahaverezan’ny sotoavina malagasy ity. Atao ahoana tokoa moa fa na ny “clip” hitanao @ tele isan’andro ary dia mampadihy fitombenana no betsaka! io dia efa ataonay vazivazy foana oe any @ izay mihetsika ihany no misy ny saina ko!lol
JEREO KOA ETO
Share This
Posted in Uncategorized | No Comments »
April 11th, 2008 by news2dago
Nanao fivoriana tsy ara potoana ary tsy nisy nipika ny mpikambana vitsivitsy teo anivon’ny governemanta sy ny tompon’andraikitra ambony eo @ foloalindahy, omaly tolak’andro teny @ ilay trano atao oe “tongotra elefanta”. Nahavarina ny maro moa ity fivoriana ity satria dia tsy nisy nilaza izay zavatra nodinihina sy natao tao ireo mpivory rehetra tao izay notarihin’ny praiminisitra! fa dia tombatombana no ataon’ny mpanaram-baovao oe mety mikasika @ ireo fikomina sy firotsahana an-dalambe kasain’ny mpanohitra atao angamba no nodinihina tao.
Ny maraina ny omaly tokoa mantsy dia efa nilaza ny hanamboraka ny tsiambaratelo ingahy henri Lecacheur mikasika ny zavatra fantany sy hamoaka ireo porofo rehetra any aminy any momba ny resaka Vodiala, ny port ny toamasina, ny air mad sy ny sisa e!… tsy mena mivadika tokoa ny olona raha hamboraka ny tsiambaratelo izany. Izao izany ilay tonga @ antsoina oe nokakeriny ambokely tiany izay Ingahy 77 kano. Ny mpanohitra moa dia miketrika fatratra ny ho any @ tetezamita izany foana. Ka aleo oe andrasa izay ho tohiny!
Ingahy Rainy moa dia misonenika ery manohy ny fitsidihina any alemaina ary nihoana t@ Ramatoa Angela merkel izy omaly!
Farany dia hiverina hisokatra androany indray ny radio antsiva izay heno eo @ marin-drefy 97.6 FM! marihina fa nalaza ity radio ity @ fandaharana momba ny politika ary nahita faisana teo daholo na ry Zafy Albert na Ry Deba ary asa na anakory ity farany ity fa “Jamais 2 sans 3″ hoy ny vazaha izay! dray dray dray aza hitako aza mahita ahy marina! ny aina no matezà fa ny tantara tsy maintsy mitohy!
JEREO KOA ETO
Share This
Posted in Uncategorized | No Comments »
March 20th, 2008 by news2dago
Dia mahagaga fa tsy nahenoina feo mihitsy ny haino aman-jery teto an-toerana mba milaza ny vaovao momba ny baolina kitra ity fa dia t@ vaovao any ivelany indray no nahitako azy oe naato ny fifa i Madagasikara! Marihina moa fa tena vaovao andrasanay mpitia baolina ity fepetra navoakan’ny Fifa ity!
Efa samy vonona izany ka mioty ny vokatra sisa izao izany angaha no ilazana azy! afohy daholo aloa izay fihaonana iraisam-pirenena ary ravaina daholo izay fofompofona federasiona sy efa mambra tao h@ izay! ovay hatrany @ fotony mihitsy ra mila vokatra tsara!
Tokony hisikoponitra kosa ny fanjakana etsy andan’io zavatra natombony io hanampy ireo mpilalao eto an-toerana aloa ary hanao izay ho afany hiverenana ao @ fifa indray @ manaraka! ny fanantenana dia ny fivoarana fa tsy ny fihemorana akory!
miandry zany aloa ary mila miharitra raha te hanana ny soa! miandry anao izany izahay ry ngahy minisitra hanolotra olom-baovao! hanarina ity taranja maminay ity!
Jereo koa eto
Share This
Posted in Uncategorized | 1 Comment »
March 15th, 2008 by news2dago
Vaovao somary nampalahelo no henoko sy hitako vao eo t@ fahitalavitra TVM oe noravain’ny minisitera ny fanatanjahatena hono ny FMF efa nampoizina ihany aloha satria tao aorinan’ny ireny korotana sy ny faharesena t@ ireo ekipa nandray anjara t@ lalao afrikanina ireny dia voaresakin’ny filoha tao @ fandaharana manokana “ny tenin’ny filoha” izay mandeha @ fahitalavitra sy @ radio nasionaly isaky ny alahady ny momba ny baolina kitra oe tsy nahay nadray andraikitra ny FMF t@ ireo korotana niseho teny mahamasina.
Voalaza moa fa ny FMF no tompon’andraikitra t@ korotana sy ny zavatra nitranga rehetra ary efa fantatra rahateo (ny FMF io) oe tsy tonga ny mpitsara kanefa dia namidy ihany ny tapakila sy ny sisa dia izay dia efa ampy andravana ny FMF! ary nandray fepetra sahaza @ izay ny minisitera dia ny fandravana izany ary hametraka delegasiona manokana hanao ny fifidianana vaovao! izany oe miverina zero indray izany ny taranja baolina kitra e! raha izaho manokana aloha dia ohatran’ny tsy dia azoazoko ny fomba fiasa toy izao satria dia simba indray ny zavatra efa natomboka h@ izay! indrindra moa fa ny fandraisana anjara @ fifanitsanana @ CAN 2010! izay efa tsinjo oe tsy ho tafakatra mihitsy isika!
Atao ahoana moa fa tsy maintsy milefitra ny mpitia baolina kitra satria ny lehibe no miteny! ovaina ny olona fa ny rafitra ny eo ihany no eo koa inona ary no dikany! na ovaina injato ary ny FMF tsy misy manjary eto raha tsy misy koa ny andraikitrin’ny fanjakana oe tena andray anjara mivantana @ fikarakarana ny ekipa mandray anjara @ sehatra iraism-pirenena izy! satria ny voninahitry ny firenena no arovany @ izay! ary koa hiantoka tanteraka @ fiantsoana ireo mpilalao mila ravinahitra any ivelany izy! raha izay angamba no ataony dia omeko rariny izy fa tsy korotanina ohatran’io ny zavatra dia any @ tsy alehany avy eo satria iarahana malala ihany ny zavatra rehefa tetezamita izay! fa samy manao izay danikibony ny mpitantana vonjimaika eo!
tsy oe miaro ny federasiona aho akory fa tsy naleo ve niandry ny fifidianana ho avy dia eo no miteny ny fanjakana! dia izay indray no izy zany aloha fa dia mbola ho ela isika vao ho tafarina raha resaka baolina no resahina!
JEREO KOA ETO na MIHOMEZA ATO
Share This
Posted in Uncategorized | No Comments »
March 4th, 2008 by news2dago
Isan’andro dia tsy maintsy ahenona vono olona sy halatra foana eto antaninarivo nanomboka t@ volana janoary no nankaty! tsy vao ela akory moa no nifanafika ny polisy sy ny jiolahy! dia izao indray dia ny jiolahy no mandripaka ny vahoaka!
Tsy sanatria hamendrofendro no anoratana ity lahatsoratra ity fa tena zava misy ilay izy ka tsy mandry ny saina raha tsy mampahafantatra izany ny tena! dia ho sanatria ve ho lasa tanàna ny gangs eto Antananarivo!!
Tsy izany mantsy fa t@ androny propagandy dia oe laharapahamehana ny fandriampahalemana ary saika nivoy an’io daholo ny mpifaninana! @ izao fotoana izao anefa dia toa very fanahy mbola velona ihany ny mpiarabelona fa toa tena ataon’ny jiolahy haza lambo mihitsy!
Tsy hita moa izay iatorahana fa dia samy miaro tena ny rehetra ary aleon’ny olona aza maka alika masika “chien de race” toy injay maka mpiambina fa toa oe ireny ihany hn no mamely @ ankapobeny ny halatra! toy ny eny mahabo andoharanofotsy izao dia alika be masika daholo no miandry tanàna!
Mandeha be mihitsy ny fampiterahana alika @ izao fotoana izao ary tena misy mahasahy mividy lafo mihitsy! satria dia any @ 1.000.000 Ar any ny alika iray izao! rehefa voabaiko tsara. Ny biby indray izany izao no atokisan’ny olona kokoa noho ny olona.
JEREO KOA ETO na mihomeza ato
Share This
Posted in Uncategorized | No Comments »
February 27th, 2008 by news2dago
ity ary ny tsiambaratelo n’i news2dago aloha dia mahaiza mitsatoka izay mety ho mombamomba azy! efa nifanarahana moa izy ity ka tsy maintsy atao izany satria maro no efa nahefa ny azy ny mpiblaogy sasany!
1. Mino an’Andriamanitra aho ary Kristianina aho mazava ho azy!
2. Tsy dia tia olona matikenamaso loatra aho fa rehefa miresaka amiko aleo tg dia mahitsy!resaka tsy soronana izany no tena angadiko aleoko izay toy injay manaikinaiky kanefa tsy mifanaraka @ ao antsaiko ny resaka.
3. Ny fanantajahatena tena mba reviko dia ny lalao baolina kitra mijery angamba sisa fa efa retirety raha ny taona nojerena lol! ary ny ekipam-pirenena tena ankafiziko indrindra dia i Brezila vao fito taona monja aho t@ 82 dia efa nijery Mondial t@ fahitalavitra ary haiko dhl ny anaran’ireo mpilalao brezilianina ireo t@ izany ka h@ izao! ny tsy azoazoko indray dia ny ekipan’i lafrantsa ankehitriny satria dia merisenera no akamarony! ny tsy lanin’ny vavoniko h@ izao moa dia ny mondial 98 satria resy ny ekipako t@ io! 1 et 2 et 3 zero snif snif! rehefa milalao iraisam-pirenena ny club M scorpion ary barea dia mijery eny mahamasina foana aho ra mbl afaka na resy na maharesy tsy ahoako firy fa mijery foana aho!
4. Halako ny lehilahy mikasitanàna ny vadiny @ io dia tena fahalemena amiko ary henatra ho anay lehilahy mht
5. Mirevy ihany aho indraindray fa rehefa misy fety ihany kosa anefa fa tsy isak’izay mahatsiaro ary beks na bin no mba fisotroko fa tsy mahavoa an’ilay mahery vaika fa mora zakan’ny rano! hi hi hi
6. Tia miresadresaka aho ary mankafia mijerijery ny hakanton’ireo joba ny tanàna!manja anie izy ireo e! malahelo kosa aho anefa rehefa mahita malagasy vavy manambady vazaha! tsy hita fa fiainana izany e!
7. Tsy mba mahay solfa sy mitendry glita kanefa mba te hihira ihany ilay fotsy feo akamanareo e! izay no tsy nampalaza ahy angamba fa mety halaza ihany eto @ tontolon’ny baogy raha sitrapon’ny Tompo!
dia izay no izy ry reto a!
Jereo koa eto
Share This
Posted in Uncategorized | 2 Comments »
February 23rd, 2008 by news2dago
Asa ianareo raha mahatsikaritra fa ohatran’ny maloto be ny rano @ paompy izao! io aloa mety tsy mahagaga fa noho ny fiakaran’ny rano manodidina an’i mandroseza angamba! fa ilay izy tena mitovy @ ranom-potaka no tena maha sadaikatra indraindray oe azo sotroina ve ity sa ahoana?
Ny fanontaniana mipetraka dia ny oe izy itony moa ve tsy mba tokony handalo analyse maromaro vao tokony omena ny vahoaka e? satria ao anatin’ny kalitao daholo izany ary ny mpanjifa tokony omena zavatra madio satria miala vola! Ny mifanohitra @ izany foana anefa no mitranga matetika ary tsy mahagaga izany satria aty amintsika tsy dia misy be taraina ka dia manjaka ny gaboraraka!
Efa tena tarazo @ malagasy mihitsy mantsy ny manome zavatra tsy madio ho an’ny mpanjifa raha tsy hiteny afats’ilay tranga tany moramanga isika oe omby efa marary izao dia mbola amidy ihany! na koa oe akoho efa maty ny barika izao dia mbola varotana ihany!
Ataoko angamba fa mba fotoanan’izao ny mba tokony hijoron’ny mpanjifa @ izay oe tokony azo torina @ izay ireny zavatra ataon’ny sasany tsy dia mety loatra ireny! avy eo mantsy rehefa tonga ny aretina ny mpanjifa ihany no sahirana kanefa raha any @ toerana hafa ireny mety mba nahazo onitra ny mpanjifa raha voamarina tsara oe io tokoa no namparary ilay olona nihinana! raha izany lalàna izany angamba no miatra eto tena maro ny mpanjifa hahazo onitra!
JEREO KOA ETO na MIHOMEZA ETO na ATSY
Share This
Posted in Uncategorized | No Comments »
February 20th, 2008 by news2dago
samy mbola mitsakotsako ny voina nahazo ny firenena malagasy ny rehetra ary tena naharary ny firenena mihitsy iny niatra t@ nosy iny satria dia be laotra ny fahavoazana nianjady t@ ireo mpiray tanindrazana!
niazo avy hatrany ny faritra atsinanana moa ny filoham-pirenena nanao fanamiana miaramila!!! omaly niaraka t@ ireo sampana momba ny vonjy taitra! nijery ifotony ny loza sy ny zavatra simba ka heno fa hanome 1 miliara ariary avy hatrany izy hamonjena ny toamasina! ary miampy 100 tapitrisa ariary hanarenana ny lycée rabemanjara! niarahaba ny vaohoakan’i toamasina manonkana moa ny tenany @ fahatsapan-tenan’ny rehetra @ fandraisana andraikitra t@ fanadiovana ny tanàna fa tsy niandry ny avy aty @ fanjakana fotsiny! ny piraiminisitra kosa dia tany @ nosy sainte marie ka nanamarika fa simba ny 95% ny tanàna! namonjy tany ihany koa ny filoha ny antenimiera Jaques sylla raha avy vao tonga teto an-tanindrazana ninjery ireo vahoaka nifidy azy ho solombavam-bahoaka!
etsy andanin’izay dia ny safodrano no atahorana eto an-dranevohitra satria dia efa mivoaka ny loza manambana ny eo an’ivon’ny apipa ny @ ho fahavakisan’ny fefiloha indrindra fa ny aty @ ilan’ny andrefana @ ikopa! ny orana moa dia mbola avy foana hatramin’izao na dia efa lasa aza ilay ts’Ivan!
ny voina tena nampihetsim-po ny olona teto iarivo koa dia ity raim-pianakaviana mba niaro ny fianakavinany ity kanefa dia maty tsy tradrano noho ny akasomparana teo @ fomba fiasa ao @ jirama satria dia navelan’izy ireo nikirazorazo t@ poteau ny fil tapaka efa ho iray volana izay! mba miantso ny tompon’andraikitra ihany izahay kanefa dia tsy nisy niraharaha hoy ny lehibe n’ny fokotany teny Ankazotoho! ka izao no vokany! niakatra tokoa mantsy ny rano teny anosimahavelona ary nisy fil nimboridana nikirazorazo t@ tany ary nilatsaka tao an-tranon’ity niaramboina ity ilay fil ka nahafaty azy izany voalaza moa fa niaro ny zanany no nahatonga azy niroboka tao anaty ny rano misy herin’aratra!
ny fandaniana ny tetim-bola ny kamoinina no nanamarika ny vaovao teto antananarivo omaly satria dia eo @ 26 miliara ariary eo zany no vola ho an’ny CUA @ ity taona 2008 ity! ka miandry izay ho fiatraikan’izany aty @ vahoaka ny rehetra!
ny irariana moa dia ny oe angamba mba ho lasa n’izay ny ratsy rehetra e!
JEREO KOA ETO na MIHOMEZA ATO na ATSY
Share This
Posted in Uncategorized | No Comments »
February 15th, 2008 by news2dago
Tena fetsy ny ankizy e! ary tena nampiesoniny ara-bakiteny ny polisy miaro ny sisintany sy ny seranana t@ alahady lasa teo! ankizy kely vao 11 taona monja no saika hiondrana an-tsokosoko ho any La reunion!
kamboty i Nirina ary mipetraka @ dadatoany ary eny @ manodidina ny Ivato izy no mipetraka! hany mba fialamboliny sy faniriny ny mba hitaingina fiaramanidina! ka dia ao ivato ao @ seranana ao no andaniany ny fotoana rehefa tsy mianatra izy, ka t@ alahady lasa teo dia mody nanontany t@ ilay polisy ny toerana fivoahana na ny “toilettes” izy ka rehefa hitany fa variana nijery sy nanamarina ny pasipaoro n’ilay madama itsy farany dia iny izy no niditra ary tsy nisy nahita intsony raha tsy tany anaty fiaramanidina rehefa misy manontany moa izy dia oe miaraka @ ray aman-dreniny izay efa lasa aloha ary efa any anaty fiaramanidina!
Azo lazaina fa fitia te handeha @ itony fiara manidina itony no nitsiry tao @ ilay zaza ary dia nataony ny faniriny t@ fomba tsotra sy tena feno hafetsena tokoa
samy manana ny filazany moa ny gazety sy ny vaovao rehetra ao ny milaza fa vao teoivato izy dia efa tsikaritra ao kosa no milaza oe efa tena tonga tany @ nosy la reuinion mihitsy izy vao nisy nahita! tsy dia hidirantsika laliny ny @ iny fa ny tiana tsindrina dia ilay fahasahina tao @ ilay zaza izay tena mampiaky ny rehetra mihitsy oe! ho lasa lavitra itony karazana ankizy itony satria na tsy nanany aza ny vola sy ny fitaovana ahafahana manatanteraka ny filàna dia mampiasa saina izy!
tsy afaka notanana moa ity zazakely ity fa dia navela nody soamantsara tany an-tranony! ny fanontaniana dia oe mety mbola ho sahy ve izy hamerina sa tsia? ho hita eo ihany ny tohiny
JEREO KOA ETO NA MIHOMEZA KELY ATO
Share This
Posted in Uncategorized | No Comments »